Concert - Culte Oecuménique Juin


Date & Heure de la Répétition

28/06/2026 à 15:00

FPMA

Nanala antsika

Nanala antsika tamin'ny fahefan'ny haizina
Andriamanitra Ray,
Ka namindra antsika amin'ny Fanjakan'ny Zanany malala,
ilay azahoantsika ny fanavotana
sy ny famelan-keloka
(Sal. 134)

1 -  Ka derao e ny anaran'ny Tompontsika!
      Ry Mpanompon'ny Tompo samia midera.
      Ianareo 'zay mitoetra ao an-tranony ao,
     Ao an-kianjan ny Tompo Andriamanitsika!

2 - He! derao 'zany hasoan'ny Tompontsika!
     'Zany anarany mamy e, redony an'antsa!
     I Jakôba voafidin'ny Tompo ho azy;
     Ka nataony fananany i Israely.

3 - Dia fantaro fa ambony, lehibe ny Tompo,
     Ka mihoatra an'ireo andriamani-kafa.
     Fa izay sitrapony dia tontosainy,
     Any an-danitra ambony sy eto an-tany.

4 - Ranomasina sy hantsam-be rehetra,
     Dia samy anehoany ny sitrapony.
     'Rony rahona akariny hitatao
     Ka ny ora-manelatra manjopiaka!

5 - 'Tony rivotra tsofiny hivoaka hiala
      Avy amin'ny toerany nitobiany!
     Dia nasiany ny lahimatoa rehetra,
     Na ny biby na ny olona tao Ejipta.

6 - Famantarana maro sy fahagagana
     No nalefany hamely an'i Faraôna;
     Dia nikapoka maro amy firenena,
     Nahafaty mpanjaka mahery vaika!

7 - Ry Sihôna mpanjakan'i Emoria,
     Sy ry Oga mpanjakan'ny ao Basàna.
     Ka ny tanin'ireny nomeny ho lova,
     Ho lovan'ny vahoakan'i Israely!

8 - Hoderaina ny anaran'ny Ray Nahary
     Fa Mpanjakan'ny lanitra sy ny tany
     Omen-dera ny Zanany lahimatoa
     Ary koa ny Fanahy 'zay mpanolo-tsaina.
Imprimer

NY TENIN'NY TOMPO

(Solo (1x))
(Choeur) Ny Teninao no faniloko ry Tompo ô
Ny Teninao no tena fahazavako ô
Mampaivagn'ahy, mahafaly fôn'akahy
Ke tiàko iaignako mandrakizay

(interlude)

Hotoriako lalandava ny Teninao ô!
Satria tiako ny Teninao ô
Asandratro isan'andra ny Teninao ô!
Satria meva e ny Teninao ô
(interlude)

Tsy ny mofo araiky no ivelomagn'olo ô
Fô ny teny izay volagnin-Jagnahary e
Mahavelogno ô, mahasambatra an'akahy
Ke tiako iaignako mandrakizay


Hotoriako lalandava ny Teninao ô!
Satria tiako ny Teninao ô
Asandratro isan'andra ny Teninao ô!
Satria meva e ny Teninao ô
(interlude)

Ambarako anareo fa tsara ny Tenin'ny Tompo ô
Ambarako anareo fa tsara ny Tenin'ny Tompo ô
Sakafon'ny Fanahy feno ny Tenin'ny Tompo ô
Sakafon'ny Fanahy feno ny Tenin'ny Tompo ô
(BIS)

Alaivo ô, tandrignesa koa ah
Fô MAHASOA anao azalahy aby ny Tenin-Jagnahary
Ataova zaka iaignan'isan'andra
Fô MANKAHERY anao azalahy aby ny Tenin-Jagnahary
BIS)

Ke alaivo ô, aza misalasala,
Ke alaivo ô, aza misalasala
Ke alaivo ô, aza misalasala,
Ke alaivo ô, aza misalasala
Ke alaivo ô, aza misalasala
Ke alaivo ô !
Imprimer

Fifaliana

Fifaliana tokoa
Mirana ravo ny fo
Tojo ty androm-pifaliana soa
Tsy manam-paharoa

Aleloia Aleloia no asandratray
Aleloia Aleloia ho anao ry Ray

Mitsiky ny tarehy
Mifaly sy mihomehy
Tratra indray ty andro ô! endrey!
Fifaliam-be


Aleloia Aleloia no asandratray
Aleloia Aleloia ho anao ry Ray

Trendreo ny mozika ifaliantsika
Hobio ankalazao ny Tomponao
Tsofy ny trompetra ho antsika rehetra 
Dia mitsikitsika dia mifalia
Dobohy ny amponga, indro fa tonga 
Ny androm-pihobiana sy fifaliana
Imprimer