Miderà ny Tompo ianareo 'zay any an-danitra any, ...
Miderà ny Tompo ianareo, ry mponina eran-tany a, ...
(Sal. 148)
×
Hira Faneva
Date & Heure de la Répétition
04/04/2026 à 12:00
04 rue Claude Boyer
Hira faneva - ny Finoana - ny Fitiavana - ny Fanantenana - Region Est
NY FINOANA, FITIAVANA, FANANTENANA
(Hira faneva – Malagasy Katolika Est de France)
Refrain Isika dia toy ny rano sy vary tsy afaka hisaraka Fa atambatry ny finoana, ny fitiavana ary ny fanantenana Ao amin’ ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina
Miombona ao amin’ny fiangonana katolika
Couplet 1 Ny finoana no mampiombona antsika izao I Kristy iankinantsika ao amin’ ny Ray Na lavitra ny tanindrazana aza isika Mitoetra ao am-po hatrany ny hafaliana
Koa katsaho, iaino isan’andro ny finoana
Refrain Isika dia toy ny rano sy vary tsy afaka hisaraka Fa atambatry ny finoana, ny fitiavana ary ny fanantenana Ao amin’ ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina
Miombona ao amin’ny fiangonana katolika
Couplet 2 Ny fitiavana no lehibe indrindra, ary mampiray Alao tahaka ireo fampianaran’i Jesoa Mifampizara, mifamela heloka am-pitiavana
Mampiely hafaliana anaty sy amin’ny manodidina
Refrain Isika dia toy ny rano sy vary tsy afaka hisaraka Fa atambatry ny finoana, ny fitiavana ary ny fanantenana Ao amin’ ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina
Miombona ao amin’ny fiangonana katolika
Couplet 3 Ny fanantenana tsy mba manodoka Raha avy amin’ny Fanahy Masina Isika tsirairay koa dia fanantenana (ho an’ny hafa)
Toa an’i Maria ho an'ireo apostolika
Pont Ry Tompo ô, Ianao no hery sy fiadanana Ampiraiso izahay na aiza na aiza misy anay Ka ho vavolombelona feno hafaliana
Eo amin’ny tany onenanay
Refrain final Isika dia toy ny rano sy vary tsy afaka hisaraka Fa atambatry ny finoana, ny fitiavana ary ny fanantenana Ao amin’ ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina Miombona ao amin’ny fiangonana katolika Iaino mandrakariva… Iaino mandrakariva… Iaino mandrakariva… mandrakariva Ny finoana ny fitiavana ary ny fanentanana Dia ho paradisa an-tany ny fiainanao !
Imprimer