Hira Karemy 2026


Date & Heure de la Répétition

21/02/2026 à 00:22

04 rue Claude Boyer

Tsy manao an-dolompo ny Tompotsika

Tsy manao an-dolompo ny Tompontsika.

 
1 'Zaho no Davida nahavono / an-tsitrapo ilay olomarina,
 Nefa dia niaiky / fa nanota ka nibebaka.
 
2 Vehivavy janga very hasina / sy zo tokoa ny tenako:
 Iza no hantsoiko / mba hamerina ny hajako?
 
3 'Zaho no Zakea izay nanam-be / ka nampahory ny tsy manana,
 Nefa dia niniako / ny hahita an'izy Tompo.
 
4 'Zaho no Piera / izay nandà ankitsirano ny Tompo,
 Nefa nitodihany / ka tonga saina tampoka.
 
5 'Zaho no jiolahy nampijaly / ny vahoakan'Andriamanitra:
 Moa ny fanjakany / mba azoko idirana?
 
6 Difotry ny heloka / mandrevon'ny tontolo ny fiainako:
 Moa ve ny Tompoko / dia hanadino ny tavany?

Imprimer

Ny fitiavana manarona fahotana maro

Fiv - Ny fitiavana manarona fahotana maro x4

1- Mba fantatrao ve hoy ny Tompo: 
ny fifadiana no tena sitrako
ny mamaha ny fatotra tsy ara-drariny
ny manala ny gejan’ireo jioga
ny manafaka ny olona ampahoriana
ny mandrava izay endrika jioga rehetra (x2)

2- Mba fantatrao ve hoy ny Tompo: 
ny fifadiana no tena sitrako
ny mizara amin’ny noana ny anjara vary 
mampiantrano izay tsy manan-kialofana
ny manafy an’ireo zara raha mitafy
tsy hodiana tsy hita fa nofo toa anao (x2)
Fiv
3- Raha efanao tokoa izany 
Dia hiposaka toy  ny mazava antsinana ny taram-pahazavana
Ary hanolatra haingana tsy ela fanafana izay mety ho holatranao rehetra
Koa ny rariny no fankasitrahana anao no efa mialoha lalana
Ary hanaraka anao avy any aorina: ny voninahitry ny Tompo

4- Raha efanao tokoa izany 
Dia hihaino anao miantso Azy ny Tompo hamaly izy: inty Aho
Raha mba foananao tsy ho hita intsony ‘rony jioga mitambesatra
‘Rony teny manalabaraka sy ny fanondro manameloka
Raha ianao mba mihafo ‘reo mosarena mamoky ireo ampahoriana

Isaorana tsy misy fetra, isaorana ianao Andriamanitra Ray mitsinjo anay vahoakanao
Tolorana fankasitrahana Ianao ry Zanaka Mpanafaka
Ianao ry Fanahy Mpitantana anay hamita asa fanasoavana
Hobiana sy ankalazaina indrindra: mandrakizay, mandrakizay

Ny fitiavana manarona fahotana maro x4
Ny fitiavana manarona fahotana maro x4
Imprimer

O ry zanaka mpandany

O ry zanaka mpandany ianao izay nandao ny tranon-dRay
Izy anefa tsy sasa-manantena ny andro iray izay hiverenanao
Mihavana amin'Andriamanitra ianao izay nantsangany ho zanany
Tsisy hafa amin'ny lahimatoany, tiany homena voninahitra

1- Efa tanteraka ny fikasan'ny Ray nomaniny hatrizay hatrizay
Anao no sisa na hamisavisa raha hizaka ny anaran-dRay

Mivererena ry nandao oo Tia anao anie ny Rainao e
Mivererena ry nandao oo Aza mandrara-kilo mby andoha
Tano ny hasinao fa tena soa

2- Nomeny anao enie ilay sombiniany hitaiza anao sy hikolokolo anao
K'aza mba lavina, ry sarotiavina ny fony efa babonao


Mivererena ry nandao oo Tia anao anie ny Rainao e
Mivererena ry nandao oo Aza mandrara-kilo mby andoha
Tano ny hasinao fa tena soa

O ry zanaka mpandany ianao izay nandao ny tranon-dRay
Izy anefa tsy sasa-manantena ny andro iray hiverenanao
Mihavana amin'Andriamanitra ianao izay nantsangany ho zanany
Tsisy hafa amin'ny lahimatoany, tiany homena voninahitra

3- Fa i Jesoa zoky, efa natoky hamitrana indray ny fihavanana
Iray foa aminy i Maria reniny hijoro ho fiombonana


Mivererena ry nandao oo Tia anao anie ny Rainao e
Mivererena ry nandao oo Aza mandrara-kilo mby andoha
Tano ny hasinao fa tena soa

4- Fa ny Fanahiny, ilay Tombokaseny noraisinao tamin'ny batemy
No hafatarany, ireo naterany ho mpandova ny ho avy


Mivererena ry nandao oo Tia anao anie ny Rainao e
Mivererena ry nandao oo Aza mandrara-kilo mby andoha
Tano ny hasinao fa tena soa

O ry zanaka mpandany ianao izay nandao ny tranon-dRay
Izy anefa tsy sasa-manantena ny andro iray hiverenanao
Mihavana amin'Andriamanitra ianao izay nantsangany ho zanany
Tsisy hafa amin'ny lahimatoany, tiany homena voninahitra
Imprimer

Fa ny fetran'ny fitia

Fa ny fetran'ny fitia izay nitiavana ny Tompo: dia fitia tsy misy fetra

1 - Ny fitiavana ambony farantampony: fanomezan'ny Fanahy ho antsika oo
Dia izany no fitia feno fatra (x2)

2 - Nahafoy harena be i Salomona hanorenana tempoly ho an'ny Tompo oo
Dia izany no fitia feno fatra (x2)

Fa ny fetran'ny fitia izay nitiavana ny Tompo: dia fitia tsy misy fetra

3 - Nahafoy ny fanany ry Piera nandehanana nanaradia an'ny Tompo oo
Dia izany no fitia feno fatra (x2)

4 - Dia tanteraka ny zava-drehetra moa i Jesoa namoy ny ainy ho antsika oo
Dia izany no fitia feno fatra (x2)

Fa ny fetran'ny fitia izay nitiavana ny Tompo: dia fitia tsy misy fetra
Imprimer

Ô ry Jesoa Zokinay

O ry Jesoa Zokinay,
Mbola misy zandrinao
Ianjadiana fahoriana;
Tsy hianona izahay
Raha akifika izy ireny!
Tsy hahita masoandro

Fiv.: Jesoa Tompo, Zokinay,
'Ndray misotro ny Herinao
Izahay zandrinao;
Sahinay ny miantso hoe:
Iray tampo izahay rehetra
Miara-miondrana aminao
Eto an-tany maminay.

2- Ao ny tetika aroso
Maty paika hatraiza hatraiza
Hanjambena maro an'isa!
Tsy leferinay mihitsy
Raha ny marina dakàna,
Zandrinao no ho fetsena!

Fiv.: Jesoa Tompo, Zokinay,
'Ndray misotro ny Herinao
Izahay zandrinao;
Sahinay ny miantso hoe:
Iray tampo izahay rehetra
Miara-miondrana aminao
Eto an-tany maminay.

3- Tsy ho mpitazana kanosa;
Very andro mitsikera
Ny hitanay fa mikoroso,
Fa hizaka ny safidy
Sy ny andraikitra takiana:
Maha-zandrinao anay!

Fiv.: Jesoa Tompo, Zokinay,
'Ndray misotro ny Herinao
Izahay zandrinao;
Sahinay ny miantso hoe:
Iray tampo izahay rehetra
Miara-miondrana aminao
Eto an-tany maminay.

4- Ny Hazavana avy aminao
Efa mby anatinay
Lovanay mandra-maty!
Sahinay aranganranga
Ho zaraina manontolo
Am'zandrinao rehetra!

Fiv.: Jesoa Tompo, Zokinay,
'Ndray misotro ny Herinao
Izahay zandrinao;
Sahinay ny miantso hoe:
Iray tampo izahay rehetra
Miara-miondrana aminao
Eto an-tany maminay.
Imprimer