Hira Noel 2025


Date & Heure de la Répétition

29/11/2025 à 10:02

04 Claude Boyer, Lyon 07

Andeha hitsena ny Tomponao

Fo falifaly sy ravoravo no hiderana Anao

Endrika mirana misariaka no hitsenana Anao

Jesoa fitiavana Ianao ilay Avo miantso avia

Ny kitan’ny lanitra manjompiaka hanazava ny dia

 

Avy mihobia an’I Kristy

Herezo ny dia, malakilakia avia

Fangaina ianao, avia derao sy ankalazao ny Tomponao

 

Eny e andao andao hafaingano malaky ny dianao andao

Andeha hitsena ny Tomponao hanatitra kalo sy hira vao andao andao

 

(Andao andao andao)

 

Ny valiha sy ny amponga indray miredona hankalaza Anao

Faly ny rehetra mifampitaona mba hihoby Anao

Ny lanitra manga toa mandravaka ny maraina vao

Ka ny tononkira sy tonom-bavaka omena Anao

Imprimer

Noely Fahaterahana- Vetson'I Fianara

Avy e Añao, Jesoa, namangy anay atoy;
Tsa nifidy tany hidirana, fa havanay aby tokoa.
Tompo Andrianañahary Añao,
Feny... nañeky hitovy aminay.
Saove... nañeky hanompo,
Mba hanandratsa anay mpanota.
Ny voninahitsa e izao ho an'Andrianañahary e,
  (Gloria, Gloria, Gloria)
Eko atsika olo tiàny: hampanjaka ny fiadañana.

 
1 Izao ro "andro Fahaterahana":
 Nahaterahan'ny tena Aiña.
 Tsa misy koa ny tahotsy ny herin'ny maty e;
 Faly añay (e) fa manaña Anao mandrakizay! (inefatra)
 
2 Izao no fahaterahan'ny Hafaleana,
 Hafaleana ho an-dRaolombeloña.
 Ny mpanota nahazo fañatiñana e;
 Añay (e) matoky fa ho mpandresy! (inefatra)
 
3 Izao ro fahaterahan'ny Hazavana,
 Hazavana manila amin'ny maiziña.
 Mampitraka ireo misotry sy mamoy fo e;
 Añao herinay, "hamaito" ny onjam-piaiñana! (inefatra)
Imprimer

Dera ho Anao, Ry Tompo ô, Andriamanitra - NOELY

Dera ho Anao, Ry Tompo ô, Andriamanitra
Fa nomenao anay i ,  Mesia Mpanjakanay
Mpamonjy ny olona ety, izay mpanota ary ko very dia
Mba hiverina indray ao aminao

       Koa mitsangana isika izao, andeha hihoby hoe
       Haleloia Hozana, Ry Zanak’i Davida
       Voninahitra anie ho Anao, ry Mpanjaka sy Tompo tsy to
       He Hozana Haleloia Mandrakizay 

             Koa mitsangana isika izao, andeha hihoby hoe
             Haleloia Hozana, Ry Zanak’i Davida
             Voninahitra anie ho Anao, ry Mpanjaka sy Tompo tsy to
             He Hozana Haleloia Mandrakizay  (x2 )

Joy to the world, The Lord is come
Let earth receive her King
Let every heart prepare Him room
And Heaven and nature sing  ( x2 )
And Heaven, and Heaven, and nature sing

      Joy to the world, the Savior reigns
      Let men their songs employ
      While fields and floods,
      Rocks, hills and plains
      Repeat the sounding joy ( x2 )
      Repeat, repeat, the sounding joy

            He rules the world with truth and grace,
            And makes the nations prove
            The glories of His righteousness
            And wonders of His Love ( x2 )
            And wonders, wonders and wonders of His love. Imprimer