Proposition hira avent


Date & Heure de la Répétition

29/11/2025 à 10:00

04 Claude Boyer, Lyon 07

Injao misy feo miantso mafy

Injao misy feo miantso mafy any an'efitra:
"Efa akaiky ny Fanjakan'Andriamanitra,
Mibebaha ianareo ary minoa
Ny Vaovao Mahafaly". (Mk. 1, 3. 15)

(Sal. 112)
 
1 Derao, ry mpanompon'ny Tompo, (aleloia...)
 Derao ny anaran'ny Tompo;
 Tsarovy ny anaran'ny Tompo,
 Na izao na ho mandrakizay.
 
2 Tongava marain-tsy hariva
 Hidera ny anaran'ny Tompo.
 Ambonin' ireo firenena:
 Ny lazany avo dia avo!
 
3 Moa misy mitovy amy Tompo?
 Ny Tompo mitoetra any ambony,
 Ka miondrika izy mijery,
 Na lanitra izany na tany.
 
4 Alàny amy fako ny ory,
 Esoriny avy eo ny mahantra:
 Apetrany anilan'andriana,
 Andriana izay fanta-bahoaka.
 
5 Ny momba amponeniny an-trano:
 Niteraka maro ka faly.
 Isaory ny Ray tia antsika:
 Ny ainy efa nomeny antsika.

Imprimer

Fa miaro sy mitsimbina Andriamanitra e

Fiv.: Fa miaro sy mitsimbina Andriamanitra e

1. Tsy hanan-tahotra isika.
2. Raha ny tany dia hikoro.
3. Ny habakabaka hietry.
4. Saingy isika tsy hivena.
5, Sambatra isika nantsoiny.
6. Teniny mandrakizay!
Imprimer

Mifankatiava

Fiv: Mifankatiava, mifankatiava
Toy ny nitiavako anareo (×2)

1) Mifanao soa hatrany e
Mifanohatoham-tsy ho lavo o o
Miara-paly @ faly
Miara ory @ ory (×2)

2) Manantanteraka ny teny
Tenin'i Jesoa Tompo o o
Mahay mifamela (×2)
Imprimer