Date & Heure de la Répétition
04/10/2025 à 21:18
04 Rue Claude Boyer, Lyon 07
Sahy manolotra ny ainy, ho an'ny ondriny rehetra
Ny mpiandry ondry tsara
Ka ny rany sy ny tenany dia afoiny manontolo
Ho sakafon'izy ireny
Hanambara ahy ny Fanahy,Hanafaka ny alahelonareo;Hanambara ahy ianareo,Hanakafaka ny alahelon'ny olona.
3 'Lay mandrakizay ny indrafonyAmin'ny olon-drehetra matahotra Azy,'Lay Tompo Mpandresy mahery sandry ,Mampihahaka ireo 'zay mpiavonavona.4 Manongana ireo izay mpanjakazakaKanefa manandratra ireo ambany;Manototra soa an'ireo noanaFa mampody maina an'ireo mpanana.
1- Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,
'Reo zanany enjehina, hidina an-tranomaizina :
Anaovana herisetra sy verezin-jo tanteraka ;
'Reo zanany mioitra miantsoantso rariny :
Giazana fatorana... fa mendrika famaizana !
Fantatry ny Ray !
Ho avy ny fotoana, fa tsy sitrak'Andriamanitra
ho very maina foana 'zao fahoriana izao... !
2- Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,
'Reo zanany madinika mitrongy vao mba homana :
Tolorana ambim-bava ireo ho tamby fampanginana ;
'Reo zanany fitahina amy lainga tsara lahatra :
Tiavina, tiavina ho tohatra fiakarana !
Fantatry ny Ray !
Ho avy ny fotoana, fa tsy sitrak'Andriamanitra
ho very maina foana 'zao fahoriana izao... !
3- Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,
'Reo zanany ialonana, fofoina sy somparana :
Azera raha mijoro, finganina raha miarina ;
'Reo zanany roràna, ka esoina raha miezaka :
Kanefa dia latsaina raha kivy fo tanteraka !
Fantatry ny Ray !
Ho avy ny fotoana, fa tsy sitrak'Andriamanitra
ho very maina foana 'zao fahoriana izao... !
4- Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,
'Reo zanany tomany fa nidonam-pahoriana :
Milofika irery tsy mba manan-kianteherana ;
'Reo zanany nanota, ka ihohofana torahina :
Tondroina hoe voaozona, tsy mendrika ho velona !
Fantatry ny Ray !
Ho avy ny fotoana, fa tsy sitrak'Andriamanitra
ho very maina foana 'zao fahoriana izao... !