Miderà ny Tompo ianareo 'zay any an-danitra any, ...
Miderà ny Tompo ianareo, ry mponina eran-tany a, ...
(Sal. 148)
×
Hira 08 juin
Date & Heure de la Répétition
05/04/2025 à 16:51
04 Rue Claude Boyer, Lyon 07
Ho anao ry Fanahy (Chorale)
Ho anao ry Fanahy, Aleloia
1 Ho menaka nahoso-bato va re Ny herinao, ry Fanahy, Sa kosa natao haninteraka Ilay fo nofo mbola osa anatinay? Miasa mafy lalandava ny Herinao Mankahery, mampahomby, raha mibebaka izahay. Ianao, ry Hery nomena hampijoro, Toavinay ianao, ianao, ry Hery, Aleloia! 2 Afo lavitra tsy azo amindroana va re Ny Fitiavanao, ry Fanahy, Sa kosa natao hanafana Ilay fo nofo mangatsiaka anatinay? Miredareda lalandava ny Fitiavanao, Mandrehitra sy mampitia raha mibebaka izahay. Ianao, ry Afo Fitiavana mandoro, Raisinay ianao, ianao, ry Afo, Aleloia! 3 Ho tehi-marefo mampandringa va re, Ny Fahendrenao, ry Fanahy, Sa tehina azo ianteheran' Ny fo nofo mora lavo anatinay? Mitari-dàlana lalandava ny Fahendrenao Manoro izay hombana raha mibebaka izahay. Ianao, ry Fahendrena tsy tontan'ny ela, Derainay ianao, ry Fehendrena, Aleloia! Ho anao, ry Hery, ry Afo Fitiavana ô! Ho anao, ry Fahendrena ô, Aleloia! Ho anao Fanahy ô, Aleloia!Imprimer
Voninahitra ho anao e
Voninahitra ho anao e, Ry Tompo Andriamanitray mahefa
Lolohavinay an-tampondohanay e, Zanaharinay mahery
Fiadanana anie ho an’ny olombelona, ‘Zay namindrany fo
Fa nanehoany ny fitiavany! Voninahitra!
1. Midera anao izahay, Mankalaza anao izahay
Mitsaoka anao, misaotra anao, Mihoby ny hasinao ‘zahay
Ry Tompo Andriamanitray mahery
Voninahitra
2. Ry Jesoa Kristy Tompo, Zanaka lahitokan’ny Ray
Zanak’ondrin’Andriamanitra, Manala ny fahotana
Mamindrà fo aminay! Mipetraka eo an-kavanan’ny Ray
Raiso ny fifonanay
Voninahitra ho anao e, Ry Tompo Andriamanitray mahefa
Lolohavinay an-tampondohanay e, Zanaharinay mahery
Fiadanana anie ho an’ny olombelona, ‘Zay namindrany fo