Hira karemy - Mars 2025

O ry Zanaka mpandany

Date & Heure de la Répétition

01/03/2025 à 14:30

04 Rue Claude Boyer, Lyon 07

Isiika niara-nisotro

Isika niara-nisotro


1 'Sika niara-nisotro ny aleoko maty tam'i Jesoa Tompo a
 Sahy manao antso avo sy mitaky fahafahana,
 Fahafahana sahaza ô ny zanak'Andriamanitra.
 Sanatria:
 Tsy fahafahana mivaona any anivon-danitra any a         )
 Fa santarina eto an-tany hampiadana ny olona rehetra. ) (indroa)
 
2 'Sika niara-nisotro ny aleoko maty tam'i Jesoa Tompo a
 Sahy mijoro ho mpitondra 'lay fanantenana,
 Fanantenana mendrika ny zanak'Andriamanitra.
 Sanatria:
 Tsy rongony mampatory mampanao ampitso lava,             )
 Fa vy miaina handresena fah'fatesana amy lafiny rehetra. ) (indroa)
 
3 'Sika niara-nisotro ny aleoko maty tam'i Jesoa Tompo a
 Sahy mitaky lalandava fanavaozana rafitra,
 'Zay rafitra mangeja ny zanak'Andriamanitra.
 Sanatria:
 Tsy ny fomba aman-dalàna no toavina hotompoina,      )
 Fa ny zo aman-kasina mampiombona ny olona rehetra. ) (indroa)
 
4 'Sika niara-nisotro ny aleoko maty tam'i Jesoa Tompo a
 Sahy milatsaka ho iraka mpitondra hafaliana,
 Hafaliana mendrika ny zanak'Andriamanitra.
 Sanatria:
 Ts'ho vahoaka manirery eo anivom-pirenena,                        )
 F'ho masoandro lohataona mampiravoravo ny olona rehetra. ) (indroa)
 
5 'Sika niara-nisotro ny aleoko maty tam'i Jesoa Tompo a
 Sahy manolotra ny aina hampijoro fitiavana,
 Fitiavana sahaza ny zanak'Andriamanitra.
 Sanatria:
 Tsy fitiavana kanosa mora kivim-panenjehana,                    )
 Fa fitiavana matoky, fahendrena homena ny olona rehetra. ) (indroa) 

Imprimer

Ny fitiavana manarona fahotana maro

Fiv - Ny fitiavana manarona fahotana maro x4

1- Mba fantatrao ve hoy ny Tompo: 
ny fifadiana no tena sitrako
ny mamaha ny fatotra tsy ara-drariny
ny manala ny gejan’ireo jioga
ny manafaka ny olona ampahoriana
ny mandrava izay endrika jioga rehetra (x2)

2- Mba fantatrao ve hoy ny Tompo: 
ny fifadiana no tena sitrako
ny mizara amin’ny noana ny anjara vary 
mampiantrano izay tsy manan-kialofana
ny manafy an’ireo zara raha mitafy
tsy hodiana tsy hita fa nofo toa anao (x2)
Fiv
3- Raha efanao tokoa izany 
Dia hiposaka toy  ny mazava antsinana ny taram-pahazavana
Ary hanolatra haingana tsy ela fanafana izay mety ho holatranao rehetra
Koa ny rariny no fankasitrahana anao no efa mialoha lalana
Ary hanaraka anao avy any aorina: ny voninahitry ny Tompo

4- Raha efanao tokoa izany 
Dia hihaino anao miantso Azy ny Tompo hamaly izy: inty Aho
Raha mba foananao tsy ho hita intsony ‘rony jioga mitambesatra
‘Rony teny manalabaraka sy ny fanondro manameloka
Raha ianao mba mihafo ‘reo mosarena mamoky ireo ampahoriana

Isaorana tsy misy fetra, isaorana ianao Andriamanitra Ray mitsinjo anay vahoakanao
Tolorana fankasitrahana Ianao ry Zanaka Mpanafaka
Ianao ry Fanahy Mpitantana anay hamita asa fanasoavana
Hobiana sy ankalazaina indrindra: mandrakizay, mandrakizay

Ny fitiavana manarona fahotana maro x4
Ny fitiavana manarona fahotana maro x4
Imprimer

O ry zanaka mpandany

O ry zanaka mpandany ianao izay nandao ny tranon-dRay
Izy anefa tsy sasa-manantena ny andro iray izay hiverenanao
Mihavana amin'Andriamanitra ianao izay nantsangany ho zanany
Tsisy hafa amin'ny lahimatoany, tiany homena voninahitra

1- Efa tanteraka ny fikasan'ny Ray nomaniny hatrizay hatrizay
Anao no sisa na hamisavisa raha hizaka ny anaran-dRay

Mivererena ry nandao oo Tia anao anie ny Rainao e
Mivererena ry nandao oo Aza mandrara-kilo mby andoha
Tano ny hasinao fa tena soa

2- Nomeny anao enie ilay sombiniany hitaiza anao sy hikolokolo anao
K'aza mba lavina, ry sarotiavina ny fony efa babonao


Mivererena ry nandao oo Tia anao anie ny Rainao e
Mivererena ry nandao oo Aza mandrara-kilo mby andoha
Tano ny hasinao fa tena soa

O ry zanaka mpandany ianao izay nandao ny tranon-dRay
Izy anefa tsy sasa-manantena ny andro iray hiverenanao
Mihavana amin'Andriamanitra ianao izay nantsangany ho zanany
Tsisy hafa amin'ny lahimatoany, tiany homena voninahitra

3- Fa i Jesoa zoky, efa natoky hamitrana indray ny fihavanana
Iray foa aminy i Maria reniny hijoro ho fiombonana


Mivererena ry nandao oo Tia anao anie ny Rainao e
Mivererena ry nandao oo Aza mandrara-kilo mby andoha
Tano ny hasinao fa tena soa

4- Fa ny Fanahiny, ilay Tombokaseny noraisinao tamin'ny batemy
No hafatarany, ireo naterany ho mpandova ny ho avy


Mivererena ry nandao oo Tia anao anie ny Rainao e
Mivererena ry nandao oo Aza mandrara-kilo mby andoha
Tano ny hasinao fa tena soa

O ry zanaka mpandany ianao izay nandao ny tranon-dRay
Izy anefa tsy sasa-manantena ny andro iray hiverenanao
Mihavana amin'Andriamanitra ianao izay nantsangany ho zanany
Tsisy hafa amin'ny lahimatoany, tiany homena voninahitra
Imprimer