Hira Janvier 2025


Date & Heure de la Répétition

05/01/2025 à 14:30

04 rue Claude Boyer, 69007, Lyon

Sahy manolotra ny ainy

Sahy manolotra ny ainy, ho an'ny ondriny rehetra
Ny mpiandry ondry tsara
Ka ny rany sy ny tenany dia afoiny manontolo
Ho sakafon'izy ireny

1- Izy Tompo no mpiandry, zaho kosa ondry fiandriny
Tsy mba ory n'inona n'inona
Ary vilo-maintso hatrany no ampialany sasatra ahy
 
2- Moron-drano mahatony no hitondrany ahy hatrany
Mahavelom-bolo ery
Ary lalam-pahamarinana ho itarihany ny diako
Ho voninahitry ny anarany
 
3- Raha mandalo lohasaha, lohasaha mahafaty
Dia tsy misy atahorako!
Fa eo ianao aman-tehina sy kibay miaro ahy
 
4- Ny fahavalo manoloana izaho rosoanao sakafo
Ary indro ianao manosotra diloilo izany lohako
Fa safomorona ny ziogako
Enin-kasambarana aho.
 
5- Indrafo sy hasambarana no mambomba ny androm-piainako
Ao antranon'Izy Tompo no honenako hatrany.
Amin'ny androko rehetra.
 
6- Ho an'ny Ray Tompontsika, Tompontsika ondry tiany.
Ho an'ny Zanaka Mpiandry
Ho an'ilay Fanahy Masina, mpizarazara ranovelona
Voninahitra sy dera.
Imprimer

Efa niharihary tamintsika

Efa niharihary tamintsika
Ny indrafon'Andriamanitra.

1. Efa niharihary tamintsika ny indrafon'Andriamanitra,
    Efa nidanadana ho antsika ny fitiavan'izy Tompo,
    Tena maimaim-poana no amonjeny ny taranak'olombelona
    Ny asa nataontsika am-pahamarinana: tsy sandany velively.

2. Lahatry ny indrafony no nidinan'ny Tompo hamonjy ny olona
    Tamin'ny niterahany azy ireo amy rano sy ny Fanahiny,
    Olona vaovao tokoa isika noho ny herin'ny Fanahiny:
    Io Fanahiny io no nilatsaka sy nanavao antsika.

3. Jesoa Kritsy, 'lay Mpamonjy no tena vy nahitana:
    Izy no fahasoavan'Andriamanitra, tokin'ny olombelona.
    Efa nohamarinin'ny fitiavany isika ka manantena,
    Afaka manantena fa handova ny fiainana tsisy fetra.
Imprimer

Mba tsofy rano re

Ry Ray ô! Mba tsofy rano re

Ny andronay ety

'Reo hadisoanay

Tam’ireny andro lasa ireny re ~

Fafao, fafao, diovy re diovy

Ny fanahinay.

 

 

'Zao taona vao ho diavinay

'Zao taona vao

Mba fenoy hasambarana

Fifaliana (sy) haravoana

Handravaka ny fiainanay

Ao anatin'ny fitiavana

Fitiavana Anao.

 

Ry Ray ô! hiray fo tokoa

Sy saina re 'zahay

Hiaraka Aminao

Amin'ny andro iainanay rehetra ety ~

Ry Tompo, ry Tompo, herezo re herezo 

Ny fanahinay.

 

'Zao taona vao hatolotrao, taona

H'fanantonanay vahoakanao

H'fankatia sy hïfanampy

No himasoanay hatrany

Ao anatin'ny fitiavana

Fitiavana Anao.

 

Tsofy rano re ry Ray 'ty taona vaovao ity

'Zay omenao anay hanomananay

Ilay paradisa soa (bis)

 

Ny fitahianao hiaro anay

Hamiratra aminay izan' endrikao

Hasandrato aminay izany tavanao

                                         Ka omeo fiadanana ny andronay ety.
Imprimer