Hira 17 novembre


Date & Heure de la Répétition

17/11/2024 à 09:00

-

Voninahitra ho anao e

Voninahitra ho anao e, Ry Tompo Andriamanitray mahefa
Lolohavinay an-tampondohanay e, Zanaharinay mahery
Fiadanana anie ho an’ny olombelona, ‘Zay namindrany fo
Fa nanehoany ny fitiavany! Voninahitra!

1. Midera anao izahay, Mankalaza anao izahay
Mitsaoka anao, misaotra anao, Mihoby ny hasinao ‘zahay
Ry Tompo Andriamanitray mahery
Voninahitra

2. Ry Jesoa Kristy Tompo, Zanaka lahitokan’ny Ray
Zanak’ondrin’Andriamanitra, Manala ny fahotana
Mamindrà fo aminay! Mipetraka eo an-kavanan’ny Ray
Raiso ny fifonanay

Voninahitra ho anao e, Ry Tompo Andriamanitray mahefa
Lolohavinay an-tampondohanay e, Zanaharinay mahery
Fiadanana anie ho an’ny olombelona, ‘Zay namindrany fo
Fa nanehoany ny fitiavany! Voninahitra!

Fiv : Voninahitra e e ia Voninahitra e e ia

3. Anao zaraiky nomasiny e! Anao zaraiky no Tompo
Anao zaraiky no anabo indrindra! Ry Jesoa Kristy
Voninahitra e! Voninahitra e e ia !!!
Miaraka amin’ny Fanahy Masina
Ao amin’ny voninahitra
Ao amin’ny voninahitra
Andriamanitra Ray AMEN

Voninahitra e ia, voninahitra e e ia
Imprimer

Yamba Yamba Yamba

Yamba Yamba Yahweh (Raiso Raiso Yaveh )

Ref :
Yamba yamba Yamba Yahweh (*2) (Raiso Raiso raiso Yaveh )
Yahweh eee, Yamba yamba , Yamba , Yahweh (*2)


1- Yamba yamba Yamba mapa na beto (prends notre pain)
Yahweh eee, yamba Yamba Yahweh eee


2- Yamba yamba Yamba vinu na beto (Prends notre vin)
Yahweh eee, yamba Yamba Yahweh eee


3- Yamba yamba Yamba mpasi na beto (prends nos problèmes)
Yahweh eee, yamba Yamba Yahweh eee


4- Yamba yamba Yamba mbongo na beto (prends nos argents)
Yahweh eee, yamba Yamba Yahweh eee


+++++++++++++++++++++++++++

1 Ref (1ère voix Femmes) - 2 Ref (en 4 temps- HF)


=> 1ère couplet *2 / (H – HF)

REF*2 (Lehilahy miventy dia ny vehivavy mamaly)
=> 2ème couplet *2 / (H – HF) – REF*2

=> 3ème couplet *2 / (H – HF) – REF*2

=> 4ème couplet *2 / (H – HF) – REF*
Imprimer

Antsika jiaby 'reto

1. Atsika jiaby 'reto Fiangonana iray e;
Fianakaviana iray velomin'ny Eokaristia;
Velona (velona) ao amin'ny Ray e! (inefatra)

2. Ny Fiangonana!
Mampihavana ao amin'ny Ray,
Mampiray atsika jiaby e,
Velomin'ny Eokaristia,
No fianakaviana!

3. Ny fianakaviana!
Mampifaly ao amin'ny Ray e,
Mampiravo atsika jiaby e,
Mampiadana ao amin'ny Ray e,
Mahasambatra ao amin'ny Ray e!

4. Ny Eokaristia!
Mamelombelona aigny e,
Antoky ny mandrakizay e,
Mampioitra atsika jiaby e,
Maha-olona ao amin'ny Ray e!

5. Ny Fiangonana!
Vatan'i Kristy,
Ny Fianakaviana entanin'ny Fanahy e,
Ny Eokaristia Teny tonga nofo ô,
Teny tonga nofo manome aina atsika!
Imprimer

Misy feo miantso anao ka henoy, ry Maria

1 Misy feo miantso anao ka henoy, ry Maria!
 'Zao ny tenin'izy Tompo nolazain'ny mpaminany:
 "Ny tarana-behivavy no hamotika ny ratsy".
 Tsy iza izany fa ianao 'zay voafidy mba ho Reniny.
 Moa vonona ny hino 'zay voalahatr'izy Tompo?
 
Tena sitrako tokoa
'Zay voalazan'izy Tompo!
 
2 Misy feo miantso anao ka henoy, ry Zôzefa!
 'Zao ny tenin'izy Tompo nolazain'ny mpaminany:
 "Fa taranak'i Davida 'lay Mpamonjy vao ho teraka".
 Tsy iza akory fa ianao no hiantoka ny zanany,
 Moa vonona ianao ny hiahy izay ho Reniny?
 
5 Misy feo miantso anao ka henoy, ry tinendry!
 Mba tsarovanao va re ilay tenin'izy Tompo:
 "Mandehana mitoria ny Vaovao Mahafaly?"
 Voatendry ianao izao hanamasina ny olona.
 Moa vonona hanompo sy hamory ny vahoaka?
Imprimer

Mba raiso re aho, ry Tompo ô

Mba raiso re aho, ry Tompo ô
Hanolo-tena, hanompo Anao
Hanatontosa ny hafatrao
Hampanjaka ny fitiavanao (2)

1. Ianao no Mpahary (Eny Tompo ô !)
Teny tonga nofo (Eny Tompo ô !)
Iraho aho, hizara fahasoavana (Raiso re ‘ty ‘zaho)
Ianao no antenaina (Eny Tompo ô !)
Hitondra fanavotana (Eny Tompo ô !)
Iraho aho, hitory famonjena (Raiso re ‘ty ‘zaho)

2. Ianao no Lalana (Eny Tompo ô !)
Sy fahamarinana (Eny Tompo ô !)
Ireto vahoaka, mba ho any aminao (Raiso re ‘ty ‘zaho)
Ianao no Fiainana (Eny Tompo ô !)
Mpiandry Ondry tsara (Eny Tompo ô !)
Mampivondrona ny olona, ho eo aminao (Raiso re ‘ty ‘zaho)
Imprimer