Hira “Tsara ny Tompo” hiarahana miaraka amin’ny chorale rahavavy (FLM sy FPMA)
Date & Heure de la Répétition
01/06/2024 à 14:30
04 rue Claude Boyer, Lyon 07
Sahy manolotra ny ainy, ho an'ny ondriny rehetra
Ny mpiandry ondry tsara
Ka ny rany sy ny tenany dia afoiny manontolo
Ho sakafon'izy ireny
TSARA NY TOMPO
1- Midera Anao aho ry Tompo sy Mpamonjiko
Fa mahagaga tokoa ny Anaranao ee
Fa heriko sy tanjako ary tokiko
Vatolampy anjarako hatrizay
Aleloia fa tsara Ianao Jehova ô
Manaiky Anao izao tontolo izao
Ny fahalalako Anao mahavonjy ahy
Tsy nenin-ko fa andry hiankinako
Mazoto (x4) ny hidera aho (x3) ny Anaranao e ry Tompo Ray mahery
2- Fa tsara Ianao fa tsara Ianao ry Tompo ô
Manenika ny voninahitrao e
Tsy misy toa tsy misy toa Anao e
Hatram’izay ka ho mandrankizay e
Aleloia fa tsara Ianao Jehova ô
Manaiky Anao izao tontolo izao
Ny fahalalako Anao mahavonjy ahy
Tsy nenin-ko fa andry hiankinako
Mazoto (x4) ny hidera aho (x3) ny Anaranao e ry Tompo Ray mahery
AMF - ChoeurUni 2024
Imprimer