Challenge week-end


Date & Heure de la Répétition

27/01/2024 à 16:17

En ligne

Mba tsofy rano re

Ry Ray ô! Mba tsofy rano re

Ny andronay ety

'Reo hadisoanay

Tam’ireny andro lasa ireny re ~

Fafao, fafao, diovy re diovy

Ny fanahinay.

 

 

'Zao taona vao ho diavinay

'Zao taona vao

Mba fenoy hasambarana

Fifaliana (sy) haravoana

Handravaka ny fiainanay

Ao anatin'ny fitiavana

Fitiavana Anao.

 

Ry Ray ô! hiray fo tokoa

Sy saina re 'zahay

Hiaraka Aminao

Amin'ny andro iainanay rehetra ety ~

Ry Tompo, ry Tompo, herezo re herezo 

Ny fanahinay.

 

'Zao taona vao hatolotrao, taona

H'fanantonanay vahoakanao

H'fankatia sy hïfanampy

No himasoanay hatrany

Ao anatin'ny fitiavana

Fitiavana Anao.

 

Tsofy rano re ry Ray 'ty taona vaovao ity

'Zay omenao anay hanomananay

Ilay paradisa soa (bis)

 

Ny fitahianao hiaro anay

Hamiratra aminay izan' endrikao

Hasandrato aminay izany tavanao

                                         Ka omeo fiadanana ny andronay ety.
Imprimer