Date & Heure de la Répétition
25/01/2024 à 18:30
-
Ry Ray ô! Mba tsofy rano re
Ny andronay ety
'Reo hadisoanay
Tam’ireny andro lasa ireny re ~
Fafao, fafao, diovy re diovy
Ny fanahinay.
'Zao taona vao ho diavinay
'Zao taona vao
Mba fenoy hasambarana
Fifaliana (sy) haravoana
Handravaka ny fiainanay
Ao anatin'ny fitiavana
Fitiavana Anao.
Ry Ray ô! hiray fo tokoa
Sy saina re 'zahay
Hiaraka Aminao
Amin'ny andro iainanay rehetra ety ~
Ry Tompo, ry Tompo, herezo re herezo
Ny fanahinay.
'Zao taona vao hatolotrao, taona
H'fanantonanay vahoakanao
H'fankatia sy hïfanampy
No himasoanay hatrany
Ao anatin'ny fitiavana
Fitiavana Anao.
Tsofy rano re ry Ray 'ty taona vaovao ity
'Zay omenao anay hanomananay
Ilay paradisa soa (bis)
Ny fitahianao hiaro anay
Hamiratra aminay izan' endrikao
Hasandrato aminay izany tavanao
TARAKA FARISEO
Tarak’i Fariseo mpiatsara velatsihy,
Fa malio ivelany ka mba diovy koa ny fonao,
Handra ratinao taloha henan’izao mba ovao (2x),
Zanahary sa ny devoly ro omenao ny fonao?
Mitanjaha araiky avao fa ka mampirafy finoa,
Milanja baiboly bakeo milokoloko mbaroa (2x),
(2x) Lafa alahady la tsy misy koa gn’ any fa i ro lohany e,
Tsy manan-draty, atao tsy hanota,
Avy tinainy novainy mainty lokony foty omaly igny e,
Vorivorik’olo kea, ro fandraraha roa avao
Io ro atao vatan-draha andania fanagna (2x)
Ovao oavo ovao lily raty
Hitan-Dragnahary avao ndra le vata’e avoninao,
Ovao ovao ovao eee ovao fa tsy soa
Ataonao famonian-draha gny lia am-piangona ao , (2x)
Ovao oavo ovao lily raty
Hitan-Dragnahary avao ndra le vata’e avoninao,
Ovao ovao ovao eee ovao fa tsy soa
Ataonao famonian-draha gny lia am-piangona ao , (2x)
Eee Ario malaky mohara an-tsandokinao ao,
Ario hotsohotso fa tsy hahasoa anao,
Engao vonjea gn’ ambiasa io e tsy hanenenanao,
An-kino amin-dragnahary ny ainao longoko
Imprimer