Challenge SAMEDI (Facultatif) : Tena babo

Petit groupe ny mihira azy (Izay mazoto)

Date & Heure de la Répétition

09/12/2023 à 08:30

-

Tena babo

1-  Tena babon’ny fitiavanao tokoa izany fiainako,
Tsy nahita tory aho fa nifoha vao maraina;
Tena babon’ny fitiavanao tokoa izany saiko
Izany no nanosika ahy hikalo izao hira izao:
           Tsy manenina aho Jesoa ô, manana Anao
           Isaorako lalandava ny Anaranao

Ny foko mitempo ao anatiko ao:
Noho Ianao Jesoa,
Nametrahanao ny fitiavanao mandrakizay tsy ho lo
Izaho kosa anefa ity manalavitra Anao
            Tsy manenina aho Jesoa ô, manana Anao
            Isaorako lalandava ny Anaranao
 
2- Tena latsaka tanatiko tokoa izany antsonao,
Ka nandrisika ahy hikaroka ny tavanao vao maraina;
Tena latsaka tanatiko tokoa izany Teninao,
Ka nanentana ny vavako hiventy izao hira izao:       
          Tsy manenina aho Jesoa ô, manana Anao
          Isaorako lalandava ny Anaranao
Ny foko mitempo ao anatiko ao:
Noho Ianao Jesoa,
Nametrahanao ny fitiavanao mandrakizay tsy ho lo
Izaho kosa anefa ity manalavitra Anao
         Tsy manenina aho Jesoa ô, manana Anao
         Isaorako lalandava ny Anaranao

Imprimer