Hira Mistery no hianatsika @ alahady 07 mey ary hiraina @ alahady 14
Date & Heure de la Répétition
07/05/2023 à 14:30
04 Rue Claude Boyer
Hanambara ahy ny Fanahy,Hanafaka ny alahelonareo;Hanambara ahy ianareo,Hanakafaka ny alahelon'ny olona.
3 'Lay mandrakizay ny indrafonyAmin'ny olon-drehetra matahotra Azy,'Lay Tompo Mpandresy mahery sandry ,Mampihahaka ireo 'zay mpiavonavona.4 Manongana ireo izay mpanjakazakaKanefa manandratra ireo ambany;Manototra soa an'ireo noanaFa mampody maina an'ireo mpanana.
Omeo any anio izay rehetra sahaza anay
Tonom-bavaka fanao isan’andro izany Tompo
Mba hananay hery hahavelona ny aina
Hiderana Ano hatrany mandra-piala eto an-tany
(V) Indro nisy ny maraina , nisy koa ny atoandro Ny hariva toy izany
(L) Didinao tsotra monja , dia niseho avokoa Ireny rehetra ireny
Fa nahoana koa ny zaza no manjary ho tanora Avy eo fotsy volo
Mbola harin-tananao no namaritra izany Ka tsy takatry ny saina
Indro koa voninkazao , voatemitra ahi-maitso No mandravaka ny saha
Samy mitory fiderana amin’ny hanitra afafiny Aminao ilay nahary
Ka ny hazo be mijoala na ny vorona mikalo Eny an-tendron-kazo eny
Dia velominao daholo ka n’aiza hitoerany Dia nanaiky izay ho anjara
Indro ny orana mirotsaka mipoitra ny masoandro Ho fisotro sy hanafana
Hivavahanay mihitsy angatahinao aminao Raha tsy misy indraindray
Fa ny orana manafotra haitany izay mianjady Tokony hisy ve ireny
Ka ny vavaka natao dia mivadika ho tsiny Moa tsy sosotra ianao ?
" Omeo anay anio izay rehetra sahaza ho anay ” x2
Imprimer