Concert 29 Janvier 2023 - Hira itambarana

Ireto Hira 3 ireto dia iarahana amin'ny chorale rahavavy: FLM - FPMA

Date & Heure de la Répétition

29/01/2023 à 13:00

PRADO

Tiava e e marina tokoa

TIAVA MARINA TOKOA

Tiava e e marina tokoa e e e,
dia ataovy izay tianao hatao. (Md Augustin)


Ny fitiavana mahay mifampizara (1 Kor 13, 3)

Ny fitiavana mahay mandanjalanja. (1 Kor 13)

Ny fitiavana mitafy fandeferana  (1 Kor 13, 7)

Ny fitiavana fototry ny tsara. (Fil 2, 4)

Ny fitiavana mihevitra ny hafa (1 Kor 13)

Ny fitiavana mameno ny elanelana. (1 Kor 13)

Ny fitiavana dia tsy mba misy tahotra (1 Jo 4, 18)

Ny fitiavana tsy matin-dranobe. (Ton 8, 7)

Ny fitiavana tsy voavidim-bola  (Ton 8, 7)

Ny fitiavana tsy manam-pahataperana. (Jo 13, 1)

MAHAFOY HATRAMIN'NY AINA NY FITIAVANA (Jo 10, 11)
Imprimer

Vonjeo Vonjeo Zagnahary


Imprimer

Miraisa hina

Refrain

Miraisa hina e (sahihina e e !) 

Hiara dia isika (ah ah ah ah ah) 

F'izay no fanirian'i Kristy Tompo Harahantsika

Katsaho tokoa e (tokoa o e e)

Ny fampiraisana ah (ah ah ah ah ah) 

Ny fomba fanompoana an'iKristy

Tompo harahantsika


And1

Aza dia variana e

Miady varotra e e!

k'anjary ny finoan'indray no hampisaraka e !

Tsy misy hafa akory e !

Andriamanitra e e !

F'isika izay mpitory no te hisaratsaraka e


Refrain

Miraisa hina e (sahihina e e !) 

Hiara dia isika (ah ah ah ah ah) 

F'izay no fanirian'i Kristy Tompo Harahantsika

Katsaho tokoa e (tokoa o e e)

Ny fampiraisana ah (ah ah ah ah ah) 

Ny fomba fanompoana an'iKristy Tompo harahantsika


And2


Ny tany fiaviana

Sy volon-koditra e e

Dia tolo-janahary, ka tsy azo ovaina ireo

Fa hafa noho izany

Ny fivavahana

F'isika mpino an'i Kristy no te hihavakavaka e


Refrain

Miraisa hina e ...


And3

Tia manandra-tena

Sy be fialonana ah

Mpiatsara velatsihy isika mpino an'i Kristy

Ka fitiavan-tena no sakobonina ah

Ny fomba fanompoana an'i Kristy Tompo harahantsika


Refrain

Miraisa hina e ...


And4

Miantsoantso mafy

Kristy Tompo Filoha e

Miraisa hina, ry mpivavaka eran-tany ô

Tsy fombafomba akory ny fibebahana ah

Fa fo madio sy masina no hamonjena anao


Refrain

Miraisa hina e ...

Imprimer