Date & Heure de la Répétition
18/12/2022 à 09:00
-
INDRETO IZAHAY RY RAY
Indreto izahay ry Ray anatrehanao
Manotra ny tenanany ho Anao
Tolory ny fahasoavana anie izahay
Mifona ny ratsy vita hatrizay
Matoky e ny indrafonao, matoky e ny Zanakao
Velaro ny tananao handray ty zanakao irery mangaihay
Tolory ny fahasoavanao anie izahay
Miaraka mivelona aminao Ray
Matoky e ny indrafonao, matoky e ny Zanakao
Ampodio aminay ny fifaliana ry Tompo
Ary tohano izahay mba hazoto hanaraka Anao
Aza ariana lavitra ny tavanao izahay
Aza esorinao aminay ny Fanahinao Masina e
Aoka isika hifaly, hiravo,
hanome voninahitra azy Tompo.
An’ny Tompo avoko ny tontolo sy ny hareny
Ny tany sy ny mponina ao aminy rehetra
Fa Izy no nanorina azy ambonin’ny ranomasina
Sy nampitoetra azy ambonin’ny rano
Ka zovy no hiakatra ny vohitry ny Tompo
Ary iza no hijoro amin’ny toerany Masina
Izay madio tanana sy izay mazava fo
Ary izay tsy manankina fanahiny amin’ny sampy
Izay mianiana tsy hamitaka ny hafa
Hahazo tsodrano avy amin’ny Tompo Izy
Hahazo fahamarinana avy amin’Andriamanitra
Ilay Andriamanitra mpamonjy azy
Izany no vahoakany izay mikaroka Azy
Mikaroka ny tavan’Andriamanitry Jakoba
Ianareo varavarana handrao mitatao
Miandrà ianareo varavaram-pahagola