Hira atao amin'ny 13 novembre

Ireto ny hira hatao amin'ny 13 novembre fête patronale-tsika: KRISTY MPANJAKA


Hira Salamo : Izay manaraka azy Tompo
Hira rakitra : Manjaka Andriamanitra 
Hira Anamnèse :  Fa mandrakizay 

Date & Heure de la Répétition

12/11/2022 à 14:00

04 rue Claude Boyer, Lyon 07

Manjaka Andriamanitra

MANJAKA ANDRIAMANITRA

Manjaka Andriamanitra. Aleloia, aleloia! ) Miravoa, ry tany. Aleloia, aleloia! ) (indroa)

1 Avy amin'Andriamanitra ny famonjena antsika 
Ka azy irery ihany na ny laza na ny hery: 
Satria ny fitsaràny mahatoky sy mahitsy. 
Aleloia! Aleloia! Aleloia!

2 Tongava, ry mpanompon'Andriamanitra rehetra, 
Isika mianakavy 'zay matahotra ny Tompo: 
Tongava, 'ndeha hidera 'zay nataony tamintsika. 
Aleloia! Aleloia! Aleloia!

3 An-tanan'Andriamanitra ny tehim-panjakana, 
An-tanan'izy Tompo koa ny fahefana feno: 
Hiara-mankalaza am-boninahitra azy isika. 
Aleloia! Aleloia! Aleloia!

4 Andeha hiravoravo koa isika 'zay nasainy, 
Fa tonga i Jesoa Tompo ho amy fampakaram-bady, 
Ka indro ny ampakarina efa vonona hotsenainy. 
Aleloia! Aleloia! Aleloia!
Imprimer

Fa mandrakizay

Fa mandrakizay e
Fa mandrakizay e ny hatsaram-pon'ny Tompo
Fa lalina loatra e
Fa lalina loatra e ny fitiavany antsika
Vonjeo izahay e
Vonjeo izahay e ry Mpamonjy any
Ianao no nanafaka
Ianao no nanafaka anay tamin'ny ratsy
Nijaly sy maty e
Nijaly sy maty e teo ambonin'ny hazo
Kanefa nitsangana
Kanefa nitsangana nandresy ny fasana
Fa mandrakizay e
Fa mandrakizay e ny hatsaram-pon'ny Tompo
Fa mandrakizay e
Fa mandrakizay e ny hatsaram-pon'ny Tompo
Imprimer

Izay manaraka Azy Tompo

Izay manaraka azy Tompo
Tsy mba mandeha amin'ny haizina,
Eny e, tsy mba mandeha amin'ny haizina,
Fa izy no fahazavana sy fiainana ary lalana.
 
1 Miandra any an-tendrombohitra ny masoko:
 Avy aiza àry no ho tonga izany vonjiko?
 2 Avy any amin'izy Tompo re ny vonjiko,
 Fa izy nanao ny tany sy ny lanitra.
 
3 Ary izy tsy hamela anao ho solafaka,
 Satria tsy sondrian-tory fa miambina.
 4 Tokoa tsy sondrian-tory na rendremana,
 Fa miambina an'i Israely re ny Tompony.
 
5 Ny Tompo miahy anao amin'ny alina,
 Ny Tompo eo anilanao ka miambina.
 6 Masoandro ny antoandro, tsy afaka hisompatra,
 Ny volan'ny alina aoka tsy hatahorana.
 
7 Tsy ho voan'ny loza ianao fa ambenany,
 Ho lavitra anao ny rofy sy ny aretina.
 8 Miambina anao mandroso sy miverina,
 Ny Tompo no toky ary izy tsy mivadika.
 
9 Isaorako lalandava re ny Tompoko:
 Ny Ray 'zay nanangana ahy sy mitsimbina.
 10 Ny Zanaka hazavana mahavelona
 Naniraka ny Fanahy mahasambatra.
Imprimer