Hira chorale mitambatra Zaikabe 2022

  1. Vaky ny sôva
  2. Tsy ho menatra aho
  3. Ny tenin'ny Tompo
  4. Izahay e ravoravo
  5. Hira fanefa Zaika 2022
  6. Mifankatiava

Date & Heure de la Répétition

29/10/2022 à 16:00

Lourdes

Vaky ny sôva

VAKY NY SÔVA

Somebiseby ny mpianakavy fa tratran’ny taompahasoavana ihany Maria ô Maria a
Fa I Jesoa Tompo no tonga mamangy, mitondra tantely, mirongo ny mamy Maria ô Maria a
Hafatra soa sy hafatra maro voalazanao taminay tato ho ato Maria ô Maria a
Hiomananay fianakaviany mba hiandrasanay ny fiaviany Maria ô Maria a

Mivavaha ianareo ary koa mibebaha a
Ho avy ny teny natao fa mazava
Fa raha tsy mivalo ary tsy mihavao a
Dia ny famaliana ny ratsy fanao ho avy tsy ho ela
Fa tsy ho zakanao ny sandrin’ny Ray mila hianjera
Na miova ho tsara ny ozon’ny ota moa va tsodrano?
Na ny tanindrazana hamokatra vary tsy omby ny trano

Vaky ny sôva,  vetesim-bahoaka
Misinda ny aizina nanarona ny fiainana
Misava ny lalana  hizora-mazava
Ilay hazavana avy amin’ilay Avo tonga omaly
Dia I Kritsy Andriana-Masoandro velona androany
Roarivo taona izy ‘zay no niseho tsy ho faty intsony
Natsangany ho avy ireo ampitso izy ireo  tonga hamonjy
Vaky ny sôva Sôva mahafaly 
Izay momba azy tsy resy amin’ny ady
Atrehi-mahefa, iamboho-mahavita 
Fa manana Zoky mpitarin-tolona  miahy ireo zandry 
Miaro ireo osaosa tsy ho latsaka ankady
Ka ny anao vavan’ilay mpiampanga ho ravaravainy
Nantsangany ianao ry Maria reninay handresy ny ratsy 

Moa ve tokoa ory ny tany fa mirenireny toa tsy misy mpiandry Maria ô Maria a
Tsy aminy intsony ny dinan’ny Mpahary fa mandeha mandadilady amin’ny sampy Maria ô Maria a
Trotroka ihany mitrondry amin’ny tany, tsy azo sakafo migoka tomany Maria ô Maria a
Very fanahy diso fanantenana toa olo manjemby mitety tanàna Maria ô Maria a
Tsy tian’I Jesoa hisy very izy ireny a
Tsy misy olombelona avelany irery a
Ireo maniasia karohiny hatrany a
Fa ny zanakao ry Maria reninay miandry ny tsara
Tsy misy avelany ho mosarena na hangetaheta
Velariny ny tsihy hihinana mofo miampy fisotro
Ho santatr’ilay fanasan-dehibe omanin’ny Ray

Fiv. 
Imprimer

Mifankatiava

Fiv: Mifankatiava, mifankatiava
Toy ny nitiavako anareo (×2)

1) Mifanao soa hatrany e
Mifanohatoham-tsy ho lavo o o
Miara-paly @ faly
Miara ory @ ory (×2)

2) Manantanteraka ny teny
Tenin'i Jesoa Tompo o o
Mahay mifamela (×2)
Imprimer

Hira Faneva ZAIKABE 2022 ANCMF

MIFALIA (Osez la joie)
HIRA FANEVA ZAIKABE ANCMF 2022

1. Mifalia, miravoa ao amin’ny Tompo ianao ry olo-marina. (Sal 33: 1b)
Mifalia sy mihobia satria nanao zava-dehibe ny Tompo. (Joely 2: 21)
Ka ny hira sy antsa fiderana no asandrato ho Azy.
F’Izy no Andriamanitry ny famonjena (Hab. 3:18), ary ny indrafony mandrakizay. (Sal 100: 5a)

2. Mifalia, mihirà fa tonga ny andro firavoravoana.
Mifalia fa taon-jobily no ankalazaintsika miaraka indray .
F’Izy Tompo nambomba ny asa hatrizay, nampijoro antsika hatrizao.
Ny Fanahy Masina mpanazava no nitari-dàlana antsika.

3. Mifalia, mitràka raha tojo sedra, mandalo hakiviana.
Mifalia sy mitsikia: antsoy Jesoa f’Izy tsy mba mandao. (Jos. 1.5)
Ny adin-tsaina soloiny ho fifaliana, ny osa omeny hery.
Ary fanantenana no atolony, ho ampingan’ny malahelo.

Fiv: Mifalia, (Mifalia, mihobia, mihirà)
    Mifalia, mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo
    Ka hoy aho indray:
    Mifalia, (Mifalia, mihobia, mihirà)
    Mifalia, mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo
    
Ka hoy aho indray: mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo
Farany, ry rahalahy, mifalia, miezaha ho lavorary, mifanalà alahelo, miraisa hevitra, mihavàna tsara, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fitiavana amam-piadanana. (2 Kor. 13, 11)
OSEZ LA JOIE !
Imprimer

IZAHAY E RAVORAVO

1- Izahay e! ravoravo 
Miandrandra anao 
Maria Ampakarina any an-danitra
Anjakan'ny zanakao
Fa omen'i Zanahary Voninahitra ianao
Ary derain'ny Anjely
Ny Fahandriananao

2- Koa valiana haravoana 
Ny hadiovam-ponao
Sy satrohana fefiloha 
Ny fanetren-tenanao 
Ka ny afo mampirehitra 
Ny fitian'ny fonao
Mba mahita valisoa 
Amin'ny naterakao

3- Ny Anjely mba manompo
Sady mankalaza anao
Izy mino sy manaiky
Ny fahambonianao !
Koa 'zahay e te-hiasa 
Homba ny nalehanao
Fa finaritra, ô Maria e 
'Zay miraikitra aminao !
Imprimer

NY TENIN'NY TOMPO

(Solo (1x))
(Choeur) Ny Teninao no faniloko ry Tompo ô
Ny Teninao no tena fahazavako ô
Mampaivagn'ahy, mahafaly fôn'akahy
Ke tiàko iaignako mandrakizay

(interlude)

Hotoriako lalandava ny Teninao ô!
Satria tiako ny Teninao ô
Asandratro isan'andra ny Teninao ô!
Satria meva e ny Teninao ô
(interlude)

Tsy ny mofo araiky no ivelomagn'olo ô
Fô ny teny izay volagnin-Jagnahary e
Mahavelogno ô, mahasambatra an'akahy
Ke tiako iaignako mandrakizay


Hotoriako lalandava ny Teninao ô!
Satria tiako ny Teninao ô
Asandratro isan'andra ny Teninao ô!
Satria meva e ny Teninao ô
(interlude)

Ambarako anareo fa tsara ny Tenin'ny Tompo ô
Ambarako anareo fa tsara ny Tenin'ny Tompo ô
Sakafon'ny Fanahy feno ny Tenin'ny Tompo ô
Sakafon'ny Fanahy feno ny Tenin'ny Tompo ô
(BIS)

Alaivo ô, tandrignesa koa ah
Fô MAHASOA anao azalahy aby ny Tenin-Jagnahary
Ataova zaka iaignan'isan'andra
Fô MANKAHERY anao azalahy aby ny Tenin-Jagnahary
BIS)

Ke alaivo ô, aza misalasala,
Ke alaivo ô, aza misalasala
Ke alaivo ô, aza misalasala,
Ke alaivo ô, aza misalasala
Ke alaivo ô, aza misalasala
Ke alaivo ô !
Imprimer

TSY MBA MENATRA AHO

1° Saotra sy dera no indro atolotray
Ho anao ry Ray mpamonjinay
Fa maro ny soa izay nafafinao
KA Faly ny fonay midera misaotra manao hoe:
Refrain: Tsy mba menatra aho ry Jesoa ô
Fa ianao no fialofako
Ka na saotra aza ny lalan-kaleha
Dia tsy hatahotra aho fa mbola hihira hoe:
Tsy mba menatra aho ry Jesoa ô
Fa ianao no fialofako
Raiso ny hira fiderana’zay asandratray sy vokatry ny fo(x2)

2° Ny hatanoranay feno fahavalo
Maro mpisompatra, be fakam-panahy
Fa ianao no tokinay sy mpiaro
KA inona hitranga hidona tsy misy hampanahy

Ref
3° Ny tanindrazanay, Madagasikara
‘Reo ray sy reny, zoky zandrinay
Tsy hadinonay, tahio mba ho tsara
Hiadana, ho faly ho toa ny vavakay
Imprimer