Hira hatao amin'ny 13/02/2022

MANJAKA ANDRIAMANITRA no hiraina amin'ny 13 Février mandrinera ny rakitra ka dieny zao dia ianarana,
A 9h45 Répétition alohan'ny lamesa 
Ny hira ambiny dia ianarana aorian'ny lamesa

Date & Heure de la Répétition

13/02/2022 à 09:45

13 rue Père Chevrier, 69007, Lyon

Manjaka Andriamanitra

MANJAKA ANDRIAMANITRA

Manjaka Andriamanitra. Aleloia, aleloia! ) Miravoa, ry tany. Aleloia, aleloia! ) (indroa)

1 Avy amin'Andriamanitra ny famonjena antsika 
Ka azy irery ihany na ny laza na ny hery: 
Satria ny fitsaràny mahatoky sy mahitsy. 
Aleloia! Aleloia! Aleloia!

2 Tongava, ry mpanompon'Andriamanitra rehetra, 
Isika mianakavy 'zay matahotra ny Tompo: 
Tongava, 'ndeha hidera 'zay nataony tamintsika. 
Aleloia! Aleloia! Aleloia!

3 An-tanan'Andriamanitra ny tehim-panjakana, 
An-tanan'izy Tompo koa ny fahefana feno: 
Hiara-mankalaza am-boninahitra azy isika. 
Aleloia! Aleloia! Aleloia!

4 Andeha hiravoravo koa isika 'zay nasainy, 
Fa tonga i Jesoa Tompo ho amy fampakaram-bady, 
Ka indro ny ampakarina efa vonona hotsenainy. 
Aleloia! Aleloia! Aleloia!
Imprimer

Nanala antsika

Nanala antsika tamin'ny fahefan'ny haizina
Andriamanitra Ray,
Ka namindra antsika amin'ny Fanjakan'ny Zanany malala,
ilay ahazoantsika ny fanavotana
sy ny famelan-keloka
(Sal. 134)

1 -  Ka derao e ny anaran'ny Tompontsika!
      Ry Mpanompon'ny Tompo samia midera.
      Ianareo 'zay mitoetra ao an-tranony ao,
     Ao an-kianjan ny Tompo Andriamanitsika!

2 - He! derao 'zany hasoan'ny Tompontsika!
     'Zany anarany mamy e, redony an'antsa!
     I Jakôba voafidin'ny Tompo ho azy;
     Ka nataony fananany i Israely.

3 - Dia fantaro fa ambony, lehibe ny Tompo,
     Ka mihoatra an'ireo andriamani-kafa.
     Fa izay sitrapony dia tontosainy,
     Any an-danitra ambony sy eto an-tany.

4 - Ranomasina sy hantsam-be rehetra,
     Dia samy anehoany ny sitrapony.
     'Rony rahona akariny hitatao
     Ka ny ora-manelatra manjopiaka!

5 - 'Tony rivotra tsofiny hivoaka hiala
      Avy amin'ny toerany nitobiany!
     Dia nasiany ny lahimatoa rehetra,
     Na ny biby na ny olona tao Ejipta.

6 - Famantarana maro sy fahagagana
     No nalefany hamely an'i Faraôna;
     Dia nikapoka maro amy firenena,
     Nahafaty mpanjaka mahery vaika!

7 - Ry Sihôna mpanjakan'i Emoria,
     Sy ry Oga mpanjakan'ny ao Basàna.
     Ka ny tanin'ireny nomeny ho lova,
     Ho lovan'ny vahoakan'i Israely!

8 - Hoderaina ny anaran'ny Ray Nahary
     Fa Mpanjakan'ny lanitra sy ny tany
     Omen-dera ny Zanany lahimatoa
     Ary koa ny Fanahy 'zay mpanolo-tsaina.
Imprimer

Tamin'ny andro voalohany

1 - Tamin'ny andro voalohany e,
Dia lasa maraina koa,
Lasa nankany amin'ny fasana.

Lasa nankany amin'ny fasana i Maria Madelenina ;

Kanjo indro tsy nampoiziny e,
Fa nikipaka teo ny vato
Nanarona ny atin'ny fasana.

Nankaiza ny Tompo no midanadana ny fasana ? (in-2)

Dia lasa i Maria re e e,
Lasa nankany amin'ny mpianatra
Nilaza ny zavatra hitany :

" Nalain'olona, ho aho i Jesoa Tompo Ka tsy fantatray izay nanaovany azy a !" ( in- 2)

Fa nahoana re
No fonenan'ny maty a
No itadiavana
Ilay Tompon'ny aina ?
Aza hadino re
Fa ny voa nafafy tsy maintsy maty,
Raha tsy izany mitoetra eny foana
Tsy hahita ny fahavelomana a.

2 - Izao no andro fitsanganana e
Andresena ny fijaliana
Tambin'ny ota sy ny haizina.

Tambin'ny ota sy ny haizina ny fahorian'ny olombelona !

Izao no andro fitsanganana e
Amelomana ny mpanota
Matory amin'ny fahafatesana.

Tadiavo ny Tompo fa izy no lalan'ny fiainana ! (in-2)

Izao no andro fitsanganana e
Santatr'ilay fampakarana
ho any amin'ny tanin'ny velona.

Raha miara-maty amin'ny Jesoa Tompo, Hitsangana indray izay manaraka azy a ( In -2)

Efa velona
I Jesoa Tompo,
Fa nandresy, ho aho,
I Jesoa Tompo,
I Jesoa Tompo re
Efa voasoratra tamin'ny boky
Fa hanala ny tany tontolo
Amin'ny gejan'ny fahafatesana a.

Tamin'ny andro voalohany e,
Ilay nijaly ka novonoina,
Efa nitsangan-ko velona ! ( in-2)
Imprimer

Añay matoky anao Tompo e - Salama 129

Añay matoky anao Tompo e


1.    E, Tompo ô, toiñonao ‘zao kaika ‘zao.

Añaty hady aho, Raiko, ro mikoika anao.

Ia ro hahataty, lehe ny heloka ro tsikilovinao?

Ny añatoñana anao e ko ny fandiferanao.

 

2.    Ny anahy dia ny Tompo ro tena iandrasako fañapena,

Izay lazainy tsa halako, fa izay ro hafaleana.

Mivaibaitsa mihitsy aho mitily ny handalovany.

Dikadika ny mpiambina miandry ny andro handrovana

Ny anahy dia ny Tompo ro tena iandrazako fañapena,

Izay lazainy tsa halako fa izay ro hafaleana.

 

 

3.    Dia mba andraso ny Tompo, ô Raolo,

Sy aminazy ny fitea tsa misy mahasolo,

Fañavotana izao tsa ataone tañam-polo:

Tsa misalasala iy mamela ny heloka manontolo.

 

4.    Ny voñinahitsa ‘zao ro atolotsa anao Ray,

Ho anao Zanaka, fa vô mitsa ko añao Fañahy.

Dia ho tahaka izay hatramin’ny efa ela izay:

Mitovy amin’izao niany izao sy ho mandrakizay,

Ny voñinahitsa ‘zao ro atolotsa anao Ray,

Ho anao Zanaka, fa vô mitsa ko añao Fañahy.

 

Añay matoky anao Tompo e,

Matoky añay manaña anao,

Nasoroñao anay ny Zanakao,

Nomenao ko any Fañahy,

Añay tsa mba hiala aminao.

Imprimer