Date & Heure de la Répétition
06/02/2022 à 14:30
04 Rue Claude Boyer, Lyon, 69007
Fasana ô, iza ianao ? Fasana ô, ambarao
Fantratrao izay niseho tamin’ny andro fahatelo :
Nimposahan’ny masoandrony tao anatinao nidanadana
Hitanao Jesoa nifoha, nofohazin’izy Rainy
Ilay namoha an’i Lazara ô, velon’aina soa aman-tsara
Nihorohoro mafy ianao, fa i Jesoa ilay mpanjaka
Nidina any ambany tany, feno ny herin’Andriamanitra
Nanambara tamin’ny razana fa resiny tokoa satana
Mapanameloka an’i Adama, mpanakatona ny lanitra
Fasana ô, tadidinao va re?
Ireo horakoram-pifaliana tamin’ny andro fahatelo
Fantatrao f’ilay mpanavotra, no santatr’ireo nodimandry
Tamin’ny andro faha telo
Fasana ô, iza ianao ? Fasana ô, ambarao
Toy ny tany va ianao ? Nipasaka hamoa ?
Voa nafafy nety lo, izay nitsiry nandrombona hamoa
Jesoa Tompo voa nafafy no nindrembona amin-kery
Avy tao ankibonao zary hazon’aina vao
Tany lonaka ianao ho an’ny nofonay marefo
Raha ny fahafatesanay no atambatray hamelo
Zay tsy ampy amin’ny nofon’/i Kritsy tsy manantsiny
Izay tsy miaraka amin’ny Tompo tsy hanan’aina velively
Fasana ô, tadidinao va re?
Ireo horakoram-pifaliana tamin’ny andro fahatelo
Fantatrao f’ilay mpanavotra, no santatr’ireo nodimandry
Tamin’ny andro faha telo
Fasana ô, iza ianao ? Fasana ô, ambarao
Misy tanambokovoko zary fomba amampanao
Vita sary tsara joro eo ambonin’ny lohanao
Rehareha va ianao ? Rendrarendra koa ny hazo nifantsihan’i Jesoa,
Tompo Zanak’i Avo
Manankasina ianao toy ilay hazo fijaliana
Tsy horava ka hajoro, ilana dera sanatria
Fa anjara ho zakaina, lahatra efa voatendry
Nohamasinin’ilay Zanaka isandratam-boninahitra
Fasana ô, tadidinao va re?
Ireo horakoram-pifaliana tamin’ny andro fahatelo
Fantatrao f’ilay mpanavotra, no santatr’ireo nodimandry
Tamin’ny andro faha telo
Fasana ô, iza ianao ? Fasana ô, ambarao
Andrandrao ô, ny asara manitra, hanangonan’Andriamanitra
Ireo zanany rehetra amin’ny feon’ny anjomara
Hietsi-jaza indray ianao toy ny tamin’ny andro Paka
Fa mahery ny Fanahy ô ilay fananganan-janaka (x2)
Imprimer