Hira Paka 2022

Ireto hira ireto dia hatao amin'ny antsampanahy Paka koa mazotoa mianatra.

Date & Heure de la Répétition

06/02/2022 à 14:00

04 Rue Claude Boyer, Lyon 07

Velona ny Tompo (Maria Madalenina)


Imprimer

Nandresy ny Tompotsika

NANDRESY NY TOMPOTSIKA - Chorale APKM

Potitsy tao atignana ny masoandro vaovao
Manazava ny tanàna, ilay tanàna tsika izao
Sopatsy e ty hiboky, lay nanako ilay masoandro
So avao fa nandresy, nandresy ilay masoandro
Soa avao fa nandresy, nandresy (ilay masoandro x2)

Ah ah ah , Mpam mpam mpam(onjy)
Ny Tompotsika ee

S / Nagnavotsy an’izao tontolo izao
Ch / An’izao Tontolo izao (ilay gn’anakin’ny Ray x2)
S / Nokapohy sy nalaim-baraka, nampitoviagna tamin’ny jiolahy
Ch / Tamin’ny jiolahy

S / Jeso Tompo avao ro tsy tiany, nolanjainy gny hazofijaliagna igny
Ch / Fa nandresy (x2)
        Fa - na – ndresy, nandresy ny Tompotsika 
        Ny tompotsika (x2)

Ch / Derao, ka lazao, omeo fihobiana
         Omeo fihobiana fa nandresy, nandresy ny Tompo
S / Derao, derao ny Tompo ee

Aleloia (x4)
A – le – loia (Aleloia x2) aaa
Imprimer

Tamin'ny andro voalohany

1 - Tamin'ny andro voalohany e,
Dia lasa maraina koa,
Lasa nankany amin'ny fasana.

Lasa nankany amin'ny fasana i Maria Madelenina ;

Kanjo indro tsy nampoiziny e,
Fa nikipaka teo ny vato
Nanarona ny atin'ny fasana.

Nankaiza ny Tompo no midanadana ny fasana ? (in-2)

Dia lasa i Maria re e e,
Lasa nankany amin'ny mpianatra
Nilaza ny zavatra hitany :

" Nalain'olona, ho aho i Jesoa Tompo Ka tsy fantatray izay nanaovany azy a !" ( in- 2)

Fa nahoana re
No fonenan'ny maty a
No itadiavana
Ilay Tompon'ny aina ?
Aza hadino re
Fa ny voa nafafy tsy maintsy maty,
Raha tsy izany mitoetra eny foana
Tsy hahita ny fahavelomana a.

2 - Izao no andro fitsanganana e
Andresena ny fijaliana
Tambin'ny ota sy ny haizina.

Tambin'ny ota sy ny haizina ny fahorian'ny olombelona !

Izao no andro fitsanganana e
Amelomana ny mpanota
Matory amin'ny fahafatesana.

Tadiavo ny Tompo fa izy no lalan'ny fiainana ! (in-2)

Izao no andro fitsanganana e
Santatr'ilay fampakarana
ho any amin'ny tanin'ny velona.

Raha miara-maty amin'ny Jesoa Tompo, Hitsangana indray izay manaraka azy a ( In -2)

Efa velona
I Jesoa Tompo,
Fa nandresy, ho aho,
I Jesoa Tompo,
I Jesoa Tompo re
Efa voasoratra tamin'ny boky
Fa hanala ny tany tontolo
Amin'ny gejan'ny fahafatesana a.

Tamin'ny andro voalohany e,
Ilay nijaly ka novonoina,
Efa nitsangan-ko velona ! ( in-2)
Imprimer