Répétition 10 Oct. 2021

Hira ho hiraina @ 14 novembre: E Mpandova an’Andrimanitra isika

Hira Noely:
Noely Noely Voninahitra

Date & Heure de la Répétition

10/10/2021 à 14:30

Chapelle PRADO

E Mpandova an'Andriamanitra isika - Aleloia

E, mpandova an'Andriamanitra isika, aleloia!

1 Nozarainy tamintsika ny tsiambaratelony,
 Mba handraisantsika an-tanana ny ho avy miaraka aminy.

2 Nozarainy tamintsika ny afo fitiavana
 Andrehetana ny fon'izay mikaroka ny tavany.

3 Nozarainy tamintsika 'reo asan'ny tanany
 Hizakana ny voaary 'zay natolony ho antsika.

4 Nozarainy tamintsika ny lapa fonenany
 Anorenany ny lanitra am'izay hitoerantsika.

Imprimer

Noely, Noely, voninahitra

Noely, Noely, voninahitra
Noely, Noely, ho an’Andriamanitra
Noely, Noely, voninahitra ho Azy
Noely, Noely, any an-tampon’ny lanitra

         Fa misy zaza teraka ho antsika
         Mpanjaka Izy, zanaky ny avo indrindra
         Tao Betlehema no tonga teto an-tany,
         Dia ilay Jesoa terak’i Maria. (indroa)

Teraka ho antsika ny Mpamonjy,
tao an-tananan’I Davida.
Izy, no ilay Kristy Tompo

Noely, Noely, voninahitra
Noely, Noely, ho an’Andriamanitra
Noely, Noely, voninahitra ho Azy
Noely, Noely, any an-tampon’ny lanitra

Noely, Noely, fiadanana,
Noely, Noely, ao an-tanàna
Noely, Noely, ho an’ny olona,
Noely, Noely, lay tia fihavanana

          Notantarain’ireo mpiandry ondry
          Ny vaovao mahafaly mahagaga
          Maria kosa nahatsiaro tao am-pony,
          Izay niseho mikasika ny zaza. (indroa)

Fa zaza no teraka ho antsika
Zaza lany no nomeny antsika

Noely, Noely, voninahitra
Noely, Noely, ho an’Andriamanitra
Noely, Noely, voninahitra ho Azy
Noely, Noely, any an-tampon’ny lanitra

Noely, Noely, fiadanana,
Noely, Noely, ao an-tanàna
Noely, Noely, ho an’ny olona,
Noely, Noely, lay tia fihavanana

Io zaza io no famantarana
Maro ny ho lavo, ho tafitohina
Ianao Maria ô hijaly ny aminy
Ho tonga saina ny ankabeazany. (indroa)

Nandre izany vaovao mahafaly
izany ireo mpiandry ondry
ka lasa nizara an-kafaliana izay hitany sy reny

Noely, Noely, fiadanana,
Noely, Noely, ao an-tanàna
Noely, Noely, ho an’ny olona,
Noely, Noely, lay tia fihavanana
Imprimer