Challenge JEUDI: O ry fihibanam-bilona


Date & Heure de la Répétition

07/12/2023 à 08:00

-

Ô, ry fihinanam-bilona

 

1.     Ô, ry fihinanam-bilona, famantarana ho anay

 Manambara ny olombelona mampiantrano an'Andriamanitra!

 Alina e ny andronay!

 Mosarena fiantrana izato tany maminay:

 Ny fitiavan-tena tsinona no mameno ny fonay,

 Tsisy intsony izay mba toerana hiantranoan'izy Ray!

 "Io 'lay Zanany, hareny: lahitokany ka raiso;

 Zanahary mivahiny ao am-pon 'ny olombelona:

 Voninahitra sy harena mihoatra izay irinareo!"

 

2.     Ry mpiandry ondry sambatra, olon-tsotra solonay,

 'Zay maniry fiadanana no toloran'Andriamanitra...

 Alina e ny andronay!

 Mosarena hazavana izato tany maminay:

 Rakotra haizina ny fiainana ka mamoy fo 'zahay,

 Tsisy intsony izay mba taratra hitsinjovana ny Ray!

 "Io ny Teny tonga nofo: hazavana ka hatòny,

 Fara tenin'Andriamanitra amy fon'ny olombelona:

 Vaovao mahafaly efa nandrandrainareo".

 

3.      O, ry majy tatsinanana, solon-tenanay mpanota,

 'Zay mibanjina ny lanitra notarihin'Andriamanitra...

 Alina e ny andronay!

 Mosarena famonjena izato tany maminay:

 Ny otanay no mitambesatra ka tsy mampitraka anay;

       Tsisy intsony 'zay mba kintana mampitodika amy Ray!

      "Io Jesoa fitarikandro: famonjena ka araho,

       Zanahary te hanova ny ati-fon'ny olombelona:

      Hazavana manjopiaka hitari-dalana anareo!"

Imprimer