Hira 11 juin 2023

Ity ny hira hataotsika amin'ny 1ere communion @ 11 juin 2023
Répétition amin'ny 04 juin.
  1. Hira rakitra : Mahasambatra kokoa e
  2. Hira komonio : Isika rehetra 

Date & Heure de la Répétition

04/06/2023 à 14:30

04 rue Claude Boyer, 69007, Lyon

Mahasambatra kokoa - Ankasitraho Zagnahary

Mahasambatra kokoa e,
Ny magnamia noho ny mandray
Zay mahafoe an-kafaliagna;
Ankasitrahin-dRagnahary é

Katsaho aloha aloham-potoagna e,
Ny Fanjakan-dRagnahary
Fa  amiagna anao fagnampiny ee,
Sy izay rehetra ankoatr’izegny

Koa tanteraho ny adidinao ô
Efao an-tsitrapo tokoa é
Izay magnamia an-kafaliagna
ankasitrahin-dRagnahary

Aleloia! Ankasitrahin-dRagnahary e!
A! a! Aleloia! Ankasitrahin-dRagnahary e

1. Fagnatitra amiagna amin’ny fo madio tokoa e !
Fagnatitra tsy mba mitaky valiny é ia!
Tsy mba mifogno fitiavan-tegna e e ia !
Fihatsaram-belatsihy tsy fahita agnatin-jegny e!
Aleloia, Aleloia

2. Fagnatitra miragn’ilay nataon’i Abela!
Ny tsara indrindra nafoiny ho an’ny Tompo!
Miragna rakitr’ilay mpitondra tegna
I Jiaby nanagnany tao narotsany e ia
Aleloia, Aleloia

Imprimer

Isika rehetra izao

1-      Isika rehetra izao
Samy hafa raha ny fomba, samy hafa ny fiteny
Nefa kosa iray vatsy, iray aina avokoa
Jesoa Kristy no ilay vatsy, mofo fiainana ho antsika
Ka ny vatany zaraina no mampiray antsika rehetra

2-      Isika rehetra izao
Manodidina eto amin’ny latabatry ny Tompo
Na kely aza ny anjara, valala iray ifanapahana
Nefa mbola mihoatra lavitra ny fanasana rehetra
Dia ny vatana aman-dran’i Kristy ‘lay mofo aina

3-      Isika rehetra izao
Raha mbola eto an-tany ny fiainantsika aloha
Dia tantely amam-bahona ka tsy maintsy mila namana
Dia i Kristy ilay Zoky, mpiara-dia tsy mandao
Mifampizara amintsika na manta na ny masaka

4-      Isika rehatra izao
Mbola tsy afaka mandray anjara amin’ny fanasana
Lanonan’ny voavonjy, any an-tranon’izy Ray
Nefa eo ny nofon-kena izay mitana ny fihavanana
Dia ny vatan’i Jesoa eo anatrehantsika isan’andro
Imprimer